 
Miala tsiny aho raha, raha misy ny hadino
Efa ela izay ; tsy maintsy hiverina satria
Misy any????
Ny tenako aty fa ny saiko mbola any
Mbola mahatsiaro anao ,tsy te hanadino anao
Ny maso mikipy ,te hahita ilay loko
Te hijery anao, mbola mahatadidy anao
Mety ho resy ny andro, fa ny tena tsy handady
Satria mbola misy miandry any alavitra any e! E! E
Tsy maintsy hiverina fa miandry 
Ny fandriana mafana eo akaikinao
Aza avelanao irery, lasa eritreritra kely
Hatokana ho antsika e ! E! 
Aza avelanao mody aho raha tsy mitolana 
Ilay masoandro natokana ho anao
Aza avelanao mody ô !Ô 
Raha mafy ny ady ka ianao ,miandry izany ahoana
Ny foko tsy te hitalaho satria mbola misy anao
Masoandro no kendreko ny alahelo no manery 
Mitady ny herinao ao anatiko ao
Mety ho resy ny andro, fa ny tena tsy handady
Satria mbola misy miandry any alavitra any
Tsy maintsy hiverina fa miandry 
Ny fandriana mafana eo akaikinao
Aza avelanao irery, lasa eritreritra kely
Hatokana ho antsika , hatokana ho antsika e !
Aza avelanao mody aho raha tsy mitolana 
Ilay masoandro natokana ho anao
Aza avelanao mody ô !Ô !Ô !Ô
Tsy hadalan?ity fo, na redirediny loha 
Ny nandaozako anao mbola tia
Fa mahatsiaro irery ka raiso antanandroa
Fo mitady anjara masoandro 
Ref:
Mety ho resy ny andro, fa ny tena tsy handady
Satria mbola misy miandry any alavitra any
Tsy maintsy hiverina fa miandry 
Ny fandriana mafana eo akaikinao
Aza avelanao irery, lasa eritreritra kely
Hatokana ho antsika , hatokana ho antsika e !
Aza avelanao mody aho raha tsy mitolana 
Ilay masoandro natokana ho anao
Aza avelanao mody ô !Ô !Ô !Ô
 
| 1 | Comment Lui Dire | 
| 2 | Ola | 
| 3 | Reviens-moi (Baby) | 
| 4 | Je Ne Renoncerai Pas | 
| 5 | Tout Ce Qu'il Te Faut | 
| 6 | Me Laisse Pas Tomber | 
| 7 | Chica Latina | 
| 8 | Dans Les Clubs | 
| 9 | Intro |